ActualitésTsidika

Ambohimanambola : Napetraka ny vidin’ny rano eny amin’ny paompy

Nisy ny fivoriana izay niarahan’ny lehiben’ny distrika Avaradrano, ny ben’ny tanàna, ny mpanolo-tsaina fito, ny minesteran’ny rano sy fandiovana ary fidiovana ny 12 aogositra lasa teo.

Tapaka tamin’izany fa mijanona ho 2 000 ariary ny metatra tora-telo ho an’ireo toerana azon’ny besinimaso hakana rano (bornes fontaines), ary 3 000 ariary kosa isaky ny metatra tora-telo ny vidin’ny rano ho an’ireo mampiditra rano any an-trano na (branchements particuliers). « Raha oharina min’ny vidiny teo aloha izany dia misondrotra 1 000 ariary izany » hoy i Lova mponina eny an-toerana. Marihina fa nanomboka ny 12 aogositra, tao aorian’ny fivoriana, dia efa nihatra avy hatrany ity fisondrotan’ny vidin-drano ity raha maro tamin’ieo olona ny alarobia 17 aogositra 2022 vao tena nanomboka nampiatra izany. Natao izany ho fikajiana ny kalitaon’ny rano izay mbola mampitaraina ny mpanjifa.

Famenontsoa Rajerison

Laisser un commentaire