Talata Volonondry : Tontosa soa aman-tsara ny fanamboarana tetezana tao Andranotsimihozo
Nisy ny fanamboarana tetezana tany Andranotsimihozo Talata Volonondry ny sabotsy lasa teo. Marihina fa efa an-taonany maro ity tetezana ity no novinavinaina natao saingy izao vao nanomboka ny asa. Vita soa aman-tsara ny fototra beton tamin’izany ary mitohy hatrany ny fanamboarana azy.
« Natao izao fanamboarana izao mba hanampiana ireo mponina eny an-toerana » hoy i Hobiherisaona Randrianirina, anisan’ireo mpiandraikitra. Natao ihany koa izao mba hahenana ny fahasahiranan’ireo mponina. Isaorana ireo mpiandraikitra misahana izany ary mitohy hatrany ny fampandrosoana ataon’ny kaominina ho tombotsoan’ny vahoaka.
Famenontsoa Rajerison
