Maurice : « Ile aux Cerfs », misarika mpizaha tany
Nosy iray tsy lavitry ny morontsirak’i Maurice ao amin’ny distrikan’i Falcq ny « Ile aux Cerfs ». 100 hektara ny velaran-tany ao amin’ny Nosy ary araka ny anarany dia nisy biby « cerfs » nitoetra tao aminy taloha.
Nosy ahitana tora-pasika anisany tsara indrindra ny « Ile aux Cerfs ». Malaza amin’ny tora-pasiny misy fasika malefaka sy ny ranomasiny voafaritra (lagon) izy. Anisany toerana mampidi-bola ihany koa ny « Ile aux Cerfs » noho izy misarika mpizahan-tany maro ka mamelona orinasa samihafa ao an-toerana toy ny hotely sy ny toeram-pisakafoana.
