ActualitésTsidika

Anjeva : Mbola maro ireo asa fampandrosoana tokony ho sitrahan’ny mponina ao Antanambao

 Nitohy tao amin’ny faritra Antanambao, fokontany Anjeva gara, ny fitsidihana ifotony, na ben’ny tanàna mitety vohitra ataon’ny tomponandraikitra ao amin’ny kaominina Anjeva gara, ny faran’ny herinandro teo. Mbola maro ireo asa fampandrosoana tokony ho atao sy sitrahan’ny mponina ao an-toerana, araka ny voalaza.

« Nahafinaritra ny nifanakalo hevitra tamin’ny ireo mponina ifotony, ny nahita ireto kilonga madinika maro sady nozaraina biscuits natao goûter. Hita fa mbola betsaka ny asa miandry eto amin’ity faritra ity raha tsy hiresaka afa-tsy ny fametahana jiro, fampidirana rano fisotro madio, fandrindraham-piterahana sy ny hafa » hoy ny ben’ny tanàna ao an-toerana.

« Isaorana lehibe ny tomponandraikitry ny kaominina tonga tety amin’ny mponina satria tena zava-dehibe tokoa ny fahatongavany, nihaino sy nijery ny zava-misy hiainan’ny mponina. Manantena fa hisy fiovana ary hitondra fampandrosoana izany fitsidihana izany » hoy i Robert, mponina ao an-toerana.

Mandritra ny hetsika ben’ny tanàna mitety vohitra no ahitana tokoa ireo asa fampandrosoana sy hiainoana ny hetahetan’ny mponina ho fampivoarana ny tanàna. Faritra maro moa no efa notsidihan’ny ben’ny tanàna nandritra ity hetsika ity, ary efa samy nisitraka ny asa fampandrosoana avokoa. 

Laisser un commentaire