ActualitésTsidika

Ankatso : Ho amboarina ny kianja filalaovam-baolina

Hiroso amin’ny tetik’asa fanamboarana kianja manara-penitra eny Ankatso ny solombavambahoakan’ny boriborin-tany faharoa eny amin’ny faritra Ambohipo sy Ankatso.

Ho fanomanana ny lalaon’ny Nosy 2023, izay ho tanterahina eto Madagasikara, no anton’izany. Entina hanofanana ireo tanora izay hita fa manan-talenta ihany koa izany. Tanjon’ny fanamboarana ihany koa ny fampiroboroboana ny fanatanjahantena amin’ny faritra Ambohipo sy ny eny amin’ny Anjerimanontolo. 

Hasina Rasamimanana

Laisser un commentaire