ActualitésTatitra

Afrique du Sud : Misy variant vaovao hita taty Afrique

B.1.1.529 no anarana siantifika nomena ity variant vaovao hitan’ny siantifika sy ny ministeran’ny fahasalaman’i Afrique du Sud ny 25 novambra teo ity. Mitaintany manoloana ny fiovany sy ny fifindrany haingana ireo manam-pahefana ao Afrique du Sud ka nampitandrina ny isam-pirenena ny zoma 26 novambra.Manoloana izany dia nandray fepetra avy hatrany ny hanakatona ny sisintaniny ho an’ireo firenen’i Afrique australe i France sy firenena maro hafa. Nivory noho izany tao Genève ny zoma teo ihany koa ny OMS ny zoma teo. Efa nahita tranga iray nitondra io variant io kosa tao Israël ary olona avy tao Malawi izany raha ny fanazavana ary efa nahiboka avy hatrany.

Laisser un commentaire