Comores : Handray polisy 200 isa vaovao indray ny toby
Nanao fanambarana ny tale jeneralin’ny polisy misahana ny fiarovam-pirenena ao Comores ny 31 martsa teo fa manomana drafitra fandraisana polisy vaovao miisa 200 izy ireo. Maniry ny hanamafy ny fahaiza-manaony izy ireo raha ny fanamafisan’ny « inspecteur » jeneralin’ny polisy, Abdel-Kader Mohamed. Nanazava izy fa miova ny zava-misy ary miova ny fihetsiky ny vondro-piarahamonina ka mila misoroka sy mampiomana ny mpiasany sahady izy ireo.
Efa manodidina ny 700 ny mpiasa miandraikitra ny fiarovana ao amin’ny nosy Comores. Maro amin’ireo no efa manana ny anjara toerany eo anivon’ny polisim-pirenena saingy 30% amin’ireo ihany no mahafeno ny fepetra maha polisy takian’ny lalàna. Entina hanavaozana indrindra ny rafitry sy handraisana mpiasa vaovao mahafeno ny fepetra noho izany no anton’io fandraisana mpiasa io raha ny fanazavana.
