Espagne : Mpanakanto mivohy ny gadona « reggaeton » no namekatra « implant » rojo vy teo amin’ny lohany
Dan Sur no anaran’ity mpanakanto ity. Niparitaka tao amin’ny tamba-jotra sosialy ny horon-tsary navoakany tao amin’ny TikTok, naneho azy nisy volo rojo. Toy ny olona vao nivoaka ny mpivarotra firavaka izy saingy ny volony no nokarakarainy tao. Miendrika an’i « boucles d’or » na ilay vehivavy kely ao amin’ny tantara ho an’ny ankizy izy. « Ny tena marina dia te anao zavatra miavaka aho, toa mandoko volo daholo mantsy ny olona ka amin’izao aho mino fa tsy misy maka tahaka intsony » hoy izy. Tena miraikitra amin’ny lohany io rojo volamena io raha ny fanazavany.
