Social

Mila tohanana ny mpitsabo

Isan’ireo miatrika ady mafy akoatran’ny marary ny mpitsabo amin’izao vanimpotoanan’ny COVID-19 izao. Mila fanohanana na ara-tsaina na ara-bola na ara-pitaovana izy ireo mandritra izany rehetra izany. Tena manao ny sorona ny ainy manoloana ireo marary izy ireo, mila hamafisina anefa ny fiarovan-tena. Araka izany indrindra nitsidika sy nankahery ireo mpitsabo miaramila ao amin’ny toeram-pitsaboana CTC Mahamasina ny Minisitry ny Fiarovam-pirenena ny 13 Aprily 2021 noho ny asa mafy sy sarotra tanterahin’izy ireo. Nizara tohan’aina ho azy ireo ihany koa ny Minisitra akoatran’ny teny fankaherezana. Efa eo am-pananganana ny Plateforme Nationale de Gestion Médicale de Covid-19 amin’izao fotoana izao izay ho amperin’asa afaka andro vitsivitsy, handrindra ny ady amin’ny valan’aretina. Miasa andro aman’alina mandray ary mitsabo ireo marary mampiseho sori-traretina maivamaivana ny eto amin’ny Lapan’ny Fanatanjahantena sy ny Kolontsaina ao Mahamasina. Tsy ny olom-panjakana ihany no natao hanohana azy ireny fa isika vahoaka mbola salama sy tomady manana fahafahana hanampy azy ireo. Andron’ny firaisan-kina sy ny firaisam-po izao, andao hiara-hientana, hifanampy hiady amin’ity aretina ity.

Nicole Rafalimananjara

Laisser un commentaire