Mbola manjavozavo ny hiverenan’ny sehatry ny fampianarana
Nianjady mivantana tamin’ny fiainana an-davanandron’ny mpianatra rehetra ny coronavirus. Anisan’ny sehatra miato voalohany ny fampianarana amin’ny fotoana hiparitahan’ny aretina tahaka izao. Tsy vao tamin’ity aretim-baovao ity ihany anefa fa efa nisy izany nandritran’ny nampihanaka be indrindra ny pesta teto amintsika. Misy amin’ireo efitrano fianarana aza moa ankehitriny no voasokajy ho toerana handraisana ireo marary vokatry ny fahafenoan’ny hopitaly. Mbola mila fotoana maharitra mihitsy ihany koa ny fanadiovana ireny sekoly ireny. Fa anisan’ny lasibatra ihany koa anefa ireo sekoly tsy miankina, izay tsy maintsy manefa ireo saram-pianarana isam-bolana ny mpianatra iray. Miteraka fimenomenonana eo amin’ny ray aman-dreny anefa izany, ka antony mahatonga ny sekoly tsy maintsy mitady vahaolana amin’ny fanomezana fampianarana feno ho an’ny mpianatra. Misy amin’izy ireo no manatanteraka ny fampitan-desona amin’ny alalan’ny tambazotra sosialy ireo karazana fitaovan-tserasera. Misy amin’ireo fikambananan’ny sekoly tsy miankina araka izany no mikasa ny hamerina amin’izay ny sehatry ny fampianarana. Saingy mbola mampanahy anefa izany ankehitriny nohon’ny fisian’ny valan’aretina eto amtisika amin’izao fotoana izao. Tokony hatao laharam-pahamehana mantsy ny fitandrovana ny ain’ny mpianatra, ary tsy hilaozan’olana madinidika ihany koa indrindra ny zaza madinika mahakasika ny fifampikasohana. Milaza anefa ireo vovonan’ny sekoly tsy miankina fa vonona hanaja ny fepetra ara-pahasalamana rehetra mba tsy hidiran’ny ankizy any amin’ny varavarana hafa indray. Ny mpampianatra ihany koa etsy ankilany manamafy fa mihena ny fahaizan’ny mpianatra amin’ny fotoana lava tsy hianarana. Tsy afa-miala amin’ny zava-misy anefa isika, ny isan’ny marary tsy misy mpianatra aza efa manahirana ny mifehy azy. Ilaina araka izany ny fiaraha-midinika eo amin’ny minisitera sy ny ireo sekoly tsy miankina ireo mba hikatsahana vahaolana tsy hiparitahan’ny aretina, sy hahatonga ny mpianatra ihany koa etsy ankilany tsy ho very be loatra amin’ny fampianarana.
Fanilo Rarivoarilala
