Tamba-jotran-tserasera : Manao fanairana amin’ny fombany sy ny kolontsain’ny « facebook » ireo tanora mahakasika ireo doro tanety sy doro ala
Ny faritra Atsinanana sy Atsimo-Atsinanana no tena nahitana tebok’afo betsaka hatreto. Samy mahatsapa fa tompon’andraikitra amin’ny ala sy tanety may tsy mitsahatra amin’izao fotoana izao daholo ny olom-pirenena isan-tsokajiny. Samy mahatsapa fa miantraika amin’ny fahasalaman’ny tsirairay avokoa ireny zava-mitranga rehetra ireny.
Mampaneno lakolosy ireo mpampiasa facebook amin’ny fandraisana andraikitra tokony hataon’ny mpitondra fanjakana ary indrindra manameloka ireo mpandoro ala izy ireo. Ny kolontsaina hiainana ao amin’ity tamba-jotra ity no entina hampiasaina hanairana ny tompon’andraikitra sy ny olona rehetra izay minia mandoro ala. Amin’ny alalan’ny haniany no tena hanaovan’ireo tanora izao fampanenoana lakolosy izao na ilay antsoina hoe « memes » ireny.
« Tsapako ny fiantraikan’io doro tanety sy doro ala io na dia tsy ho hita sy re eo no eo ary. Manana andraikitra aho hiaro ny tontolo iainana sy hampitandrina ny olona manao izany fandoroana izany ka rehefa tsy afaka ny handeha any an-toerana aho dia ity facebook be mpampiasa ity izany no ampiasaiko hanentanako ny tsirairay », hoy i Fy, mpisehatra anaty tamba-jotra facebook.
« Fantatray hoe tsy manao facebook ny mpandoro ala, mety mis manao facebook ihany fa io izao no fampitam-baovao vetivety sady mahomby indrindra raha eto Madagasikara dia izay no antony hanaovanay ny fanentanana ao anatiny. Mety mba ho tonga any ampoto-tsofin’ireo mpandoro tanety sy ala reo ihany ireny », hoy ireo tanora mikambana ao anaty « facebook » mba hiaro ny tontolo iaianana.
Tsy maintsy saziana sy omena ny sazy sahaza azy avokoa ireo mpandoro ala rehetra rehefa tratra. Etsy andaniny anefa dia tokony hojerena manokana ihany ny fiainan’izy ireny satria mety ny fomba fiaiana sy ny zava-misy no manosika azy ireo hanao ireny. Tsy midika fa manome vahana ny mpandoro ala ny zavatra toy izany fa kosa sady mampieritreritra ny tompon’andraikitra ihany koa.
Miora Raharisolo
