ActualitésTatitra

Japon : Nosimbaina ilay fusée « Epsilon-6 »

Nikasa handefa ny fusée « Epsilon-6 » ny sampan-draharahan’habakabak’i Japon, Jaxa ny alarobia teo. Nianga tao amin’ny foibe spasialy tao Uchinoura io fusée io, ary nitondra satellite maro. Tsy nahaomby nefa io tetikasa io ary tsy tafianga ilay fusée.

Nanazava tompon’andraikitry ny Jaxa fa tsy afaka ny ho tohizana ny andrana nohon’ny loza mety ho aterakin’ny fusée. Hahiana ny fianjerany amin’ny tany hoy izy saingy tsy nanazava ny olana niseho tamin’ilay fusée ny tenany. Manoloana izany dia nosimbaina tanteraka ny fusée « Epsilon-6 ».

Andrana faha-6 amin’ny fusée « Epsilon » io notontosain’ny Jaxa io. Tsy fahhombiazana voalohan hatramin’ny taona 2003 kosa nefa izany.

Laisser un commentaire