Talata Volonondry: Nozaraina fitaovam-pamokarana sy masomboly ireo vehivavy
Tonga nizara fitaovana ho an’ny famokarana sy masomboly ho an’ireo fikambanam-behivavy ao amin’ny kaominina Talata Volonondry ireo avy amin’ny fikambanana AFF ( Andry sy Fototra ho an’ny Fampandrosoana) ny faran’ny herinandro teo. Ity fikambanana ity izay mirotsaka eny amin’ny fokontany mitondra fanampiana sy fanohanana mba hisian’ny fampivoarana, araka ny voalaza.
« Hisaorana lehibe ny fikambanana AFF amin’ny fanolorana ny fanomezana ho fanatsarana ny fiharian’ny fikambanana eto an-toerana izao. Zava-dehibe ho an’ny fampiroboroboana ny fikambanana tokoa izao no fanatsarana ny sehatry ny fambolena » hoy ireo avy amin’ny fikambanam-behivavy.
« Zava-dehibe ho an’ny fampandrosoana ny fanohanana ny lafin’ny fambolena, indrindra fa ireo eny amin’ny kaominina ambanivohitra. Hery lehibe ho azy ireo araka izany ny fanomezana sy fanampiana, indrindra eo amin’ny ara-pitaovana izao » hoy ireo avy amin’ny fikambanana AFF.
Raha tiana ny hampandroso dia ny lafin’ny fambolena no tokony ho tohanana sy hatsaraina voalohany. Maro anefa ireo tantsaha sy fikambanana misedra olana noho ny tsy fahampian’ny fitaovana hary fomba sy teknika mampivoatra izany amin’izao fotoana izao.
Manitra R.
