Zava-dehibe eto amin’ny firenena ve ny fisian’ny mpanohitra ?
Mizara roa telo ny Malagasy amin’izao raha ny resaka politika no resahana. Ny hafa manara-dia ny fitondrana ka manohana azy hatrany na mety na tsy mety izay ataony, ny faharoa kosa manohitra izay ataon’ny fitondrana ka mitsikera sy manatsikafona ny zava-misy.
Misy kosa ireo sady tsy miandany ny an-daniny no tsy miraraha ny an-kilany fa manohy ny fiainany an-davanandro sy miezaka manatsara ny fiainany ary manaiky ny zava-misy eo am-pelatanana. Fa ilaina eto amin’ny firenena tokoa ve ny mpanohitra ? « Raha tsy misy ny mpanohitra dia hanao izay danin’ny kibony ny mpitondra hany ka mety ho lasa firenena hanjakan’ny didiy jadona i Madagasikara » hoy i Feno, raim-pianakaviana mirona any amin’ny mpanohitra.
Tetsy an-kilany anefa nilaza i Lala Ramahefarisoa, renim-pianakaviana miandany amin’ny mpitondra, fa « tsy tokony asiana ny antoko mpanohitra satria i Madagasikara dia tany Repoblika, safidin’ny vahoaka maro an’isa no nahatonga ny mpitondra teo amin’ny toerana izany hoe efa natokisan’ny vahoaka fa mahalala izay mety aminy ary tokony hanaraka ny safidin’ny besinimaro ireo vitsy an’isa tsy nifidy azy ».
Raha nanontaniana kosa anefa ny hevitry ny mpanatra « sociologie » iray teny anivon’ny anjerimanontolo dia nilaza izy fa « maha firenena ny firenena ny fisian’ny antoko mpanohitra, na aiza na aiza dia ahitana izany avokoa, fa kosa tsy mitsikera sy manaratsy izany mpanohitra izany fa mitondra fanatsarana manoloana ny efa nataon’ny fitondrana, tsy tokony ho atao sakana ny tsy fitovian-kevitra fa tokony ho atao tombony hampandrosoana ny firenena satria ny fanjakana manao ny asa ary ny mpanohitra manome hevitra afaka hanatsarana izany”. Inona anefa ny zava-misy eto amin’ny firenena? Mifampihaino ve ny roa tonta ?
Nicole Rafalimananjara
