Ambilobe : Namorona ny « festival » voalohany antsoina hoe « Ankarabe »
Namorona hetsika ho fampandrosoana an’Ambilobe i Alain Huchet. Nanomboka ny valo ambin’ny folo aogositra ny fanambarana sy fampahafantarana ny festival.
Tanàna miorina any amin’ny lalam-pirenena faha-enina Ambilobe. Manana ny velaran-tany midadasika ary manana ny fananany lehibe ahafahany mandamina hetsika ara-kolotsaina ny mponina. Antsoina hoe « Ankarabe » ity festival ity: anarana iantsoan’ny mponina io faritra io.
« Mamorona sehatra fifanakalozana eo amin’ny mpanakanto, atao fihaonambe ara-kolontsaina, fizahan-tany ary toekarena ho an’ny faritra Diana sy Sava i Ambilobe, noho ny fanamboarana ny làlam-pirenena mampifandray an’ity toerana ity », hoy i Alain Huchet, izay namorona ny festival Ankarabe.
Big MJ, Dalvis, ary Jior Shy no lohalaharana amin'ity andiany voalohany ity, izay hatao ny telo hatramin'ny dimy septambra ao amin'ny Taxi Be any Ambilobe. Ireo mpanakanto malaza ireo dia hizara sehatra miaraka amin'ny talenta valo avy amin'ny faritra izay mendrika ho fantatry ny besinimaro koa. Toy ny festival rehetra, ho asiana isan-taona ity festival Ankarabe ity ary hanome hery ireo mpandraharaha ara-toekarena ao Ambilobe sy ny manodidina azy.
"Tena ilainay tokoa ity festival ity afahanay mampahafantatra ny kolontsainay manerana an’i Madagasikara" hoy Raketasoa. "Anisan’ny sehatra iray afahana mampandroso Tanana tokoa ny hetsika ara-kolontsaina tahak’izao. Betsaka ny vahiny no liana amin’izy ireny ary lasa mitohy hatramin’ny fitsidihana ny faritra iray manontolo mihitsy aza izany ary mampitombo ny arikarena ny mponina vetivety mihitsy" hoy i Florence, mpikarakara hetsika.
Tsara ary tena ilaina tokoa ny mamorona angovo ara-kolontsaina sy fizahan-tany ary toekarena tahak’izao ho fampandrosoana ny Tanana, sady mamorona asa ho an’ny mponina no mampiakatra ny tomba-bidin’ny faritra. Tsy voatery hamorona tetikasa mbola sarotra tanterahina vao afaka hampandroso toerana iray. Azo atao tsara ny mampiasa ny hetsika ara-kolontsaina hampanankarena.
Tsangy Randriamampianina
