Tsidika

Inona tokoa moa izany taom-baovao Malagasy izany ?

Efa re matetika fa misy izany taom-baovao Malagasy izany kanefa betsaka ny tsy mahalala ny teny heviny sy ny hatao mandritra ny fankalazana. Fety toy ny taom-baovao mahazatra ve? Lanonana sy fiaraha-misakafo eo amin’ny samy malagasy ? Manana ny fiandohan-taonany manokana ny Malagasy, kolontsaina izany ary isan’ireo mampiavaka antsika amin’ny maro. Ireo voalaza fa taranak’andriana no tena mankalaza azy ity satria izy ireny no mbola tena mitana ny fomba nentim-paharazana. Fomba iray hanehoana ireo hasina maha malagasy ity, izany hoe betsaka ny fomba atao mandritra satria io no antsoina hoe vava andro Alahamady. Ny 13 martsa hifoha 14 Martsa ho avy izao no hankalazana izany raha ho amin’ity taona ity. Mifanintsy ao amin’ny antoko kintana Alahamady ny volana, izany hoe mierina ny taona.Ny 14 marsta vao tena taom baovao, satria ny 13 martsa mbola aorinan amin’ny 12ora alina vao tsinana ny volana, dikany izany, eo vao manisa andro iray. Betsaka ireo fankalazana maro isan-karazany hanamarihan’ireo fikambanana na sehatra maro samihafa manaraka izay kolontsaina maha Malagasy izay. Tsy vao izao akory ny fankalazana ny taom-baovao Malagasy fa efa nisy hatramin’izay naha tany ny tany, izay ahitana ireo takalobe nentin-drazana. Tsy vitsy ireo mandala ny fomba nentim-paharazana manerana ny Nosy kanefa eo ihany ny fahasahiranana eto amintsika ka nanjary toa nisy nanary tsikelikely izany. Tsy ny fahasahiranana amin’ny fivelomana irery anefa fa teo ihany koa ny rivotra nitsoka avy any ivelany izay nanjary namafa tsikelikely ny tanatin’ny sain’olona ny fomba nisy teto taloha. Mitondra fandrosoana eo amin’ny firenena ve ny fitazomana ireo fomba nentim-paharazana ?

Nicole Rafalimananjara

Laisser un commentaire