SocialTsidika

Tovovavy manana fahasembanana ara-batana no afa-panadinana bakalorea

Tsy nataon’ity tovovavy sakana amin’ny fanatrarana ny tanjona hananany ny tsy fahatomombanan’ny fahasalamany. Prisca Vahatriniaina Harimalala no anarany, mpiadina teto amin’ny faritra Analamanga izay nisafidy ny sokajy A2.

Afa-panadinana soa aman-tsara ny tenany sady nahazo « mention assez bien ». Tao amin’ny sekoly « Le flambeau de Madagascar » Ankadindramamy izy no nandrato fianarana. Tsikaritra ny fiakaran’ny taha-mpahafahana nandritra ny famohahana ny valim-panadinana bakalorea manerana ny nosy, izany hoe mbola maro ireo tanora milofo amin’ny fampianarana eto Madagasikara. Lesona lehibe ho an’ny tanora Malagasy izao fahombiazan’i Prisca izao, tsy nilavo lefona izy na dia teo aza izany.

« Efa fantatro fa hahomby tamin’iny fanadinana iny ny tenako, maro ireo fanontaniana voavaliko tamin’izany. Mihaino tsara ny fanazavan’ny mpampianatra aho rehefa any an-tsekoly ary ataoko avokoa izay fomba rehetra hahafahako mitadidy ny fampianarana » hoy i Prisca, mpiadina afa-panadinana. « Tsy mahay mampiasa penina i Prisca noho ny fahasembanany ka zary lasa tsy mahazo naoty izy any an-tsekoly. Natahotra izahay fa tsy hahomby amin’ny fanadinana izy saingy ny mifanohitra amin’izany ny vokatra azo » hoy i Esthere Razafiarisoa, reniny. « Anisan’ireo mpianatra mahay i Prisca, indrindra ny taranja matematika sy ny siansa » hoy i Tiana Ranjahenintsoa, talen’ny sekoly nianarany.

« Tsy sakana ho an’ny fampandrosoana ny fahasembanana, izany indrindra no tokony atao antony manosika antsika hahatratra ny tanjona. Midera ireo olona manana fahasembanana mandresy amin’ny dingana hatrehina” hoy i Sahondra, tompon’andraikitra eo amin’ny fikambanan’ny olona manana fahasembanana eto Madagsikara.

Anisan’ny nahazo valim-panadinana tsara ihany koa ny mpianatra tao amin’ny AKA.MA izay akany mampianatra ireo tanora manana fahasembanana amin’ny fihainoana sy fitenenana.

Ambara matetika fa ny tanora ny hoavin’ny firenena, mifanindry an-dalana amin’izany indrindra ny fijerena ny lafiny fampianarana ny tanora. Mila hamafisina ny fampiofanana ireo mpanabe hofanatsara ny kalitaon’ny fampianarana. Ny fampianarana no antoka voalohany hitondra fampandrosoana ny firenena iray, tsy tokony atao sakana ny samihafana misy eo amin’ny mpianatra, tsy tokony ahilika ireo olona sembana fa anisany manana andraikitra amin’ny fampandrosoana izy ireny. Tsy very mandeha izany ny olona manam-pahalalana.

Haingotiana Andriamihaja

Nozaraina fisotron-dronono ireo mpanakanto nahafeno ny fe-petra amin’izany

Ny marainan’ny talata faha 14 ny voalana septambra teo no nototosaina tetsy amin’ny Foiben-toeran’ny Ofisy Malagasy momba ny Zon’ny mpamorona na ny OMDA, izay rantsamangaikan’ny Minisiteran’ny Serasera sy ny Kolontsaina, ny fizarana ny fisotron-drononon’ireo mpanakanto nahafeno ny fepetra takiana amin’ny fandraisana izany.

Raha tsiahivina dia miisa 228 ireo efa mpandray fisotron-dronono hatramin’izay tao amin’ny OMDA, misy ireo efa nodimandry ka 151 ireo mandray izany ankehitriny. Isaky ny volana septambra no fandraisana mpikambana vaovao mahafeno fepetra, ary feno 60 taona noho mihoatra no sokajin’olona amin’izany, efa mpikambana nandritra ny 20 taona, efa nandray vola tao anatin’ny 15 taona farafahakeliny; ary manana isa 3 800.

« Mitohy hatrany ny sangan’asanay na dia mandray fisotron-dronono az izahay, tsy miteraka sakana eo amin’ny sehatry ny zavan-kanto mihintsy ny fisian’izany » hoy i Doda mpanakanto zokiny.

« Tsy ny sehatry ny zava-kanto ihany no tokony ho jerena ny fisotron-dronono fa maro koa ireo sehatra tsy mba misitraka izany, misy ireo olona mba maniry izany saingy tsy afaka misitraka » hoy i Andry mpisotro ronono eo amin’ny sehatry ny fanabeazana.

Nanamafy i Haja Ranjarivo, Talen’ny OMDA, fa « tsy maintsy misy ny fepetra takiana ho an’ireo mpanakanto handray izay fisotron-dronono izay eo amin’ny OMDA, ireo rehtra mahafeno ny fe-petra kosa dia handray izany avokoa ».

Nankasitraka ny ezaka ataon’ny Minisiteran’ny Serasera sy ny Kolontsaina, ireo mpanakanto nandray ny fisotron-drononony androany, amin’ny fijerena ny maha olona sy ny fametrahana amin’ny toerana maha izy ny tontolon’ny kanto eto Madagasikara.

Na dia manao ny ezaka hatrany aza ireo ireo minisitera isan-tsokajiny dia mbola maro ireo seahtra no miandry sy mila vahaolana ka antenaina hatrany ny fandehanana ifotony.

Lovasoa Tojonirina

Laisser un commentaire