Nomena ny toky fa omena aina vao ny sehatry ny fifandraisana iraisam-pirenena
Nilaza ny hanome hery sy tanjaka ny fifandraisana iraisam-pirenena miorina amin’ny fanatsarana ny toe-karena ny Minisitry ny raharaham-bahiny, Patrick Rajoelina. Isan’ny toromarika manokana nomen’ny Filohan’ny Repoblika rahateo izany nandritra ny filan-kevitry ny Ministra ny 15 aogositra lasa teo.
« Hitondra fampiratiana eo anivon’ny sehatra iraisam-pirenena amin’ny lafiny kolontsaina, fanatanjahantena ary ny fifanakalozana maro lafy ka ho modely amin’ny ady amin’ny kolikoly ihany koa » hoy Patrick Rajoelina. « Mbola maro ny andraikitra miandry antsika indrindra eo amin’ny fijerena manokana ny fanajana ny fenitra eo amin’ny fanomezana tsenam-baro-panjakana na « marchés publics ». Eo koa ny fampitovian-jo ny mpiasam-panajkana rehetra isan-tsokajiny eo anivon’ny Ministera » hoy ny avy ao amin’ny Ministera. « Zava-dehibe ny fanatsarana ny fifandraisana amin’ny any ivelany indrindra amin’ireo firenena efa mandroso toa an’i Etats-Unis sy i France, rehefa tsara ny momba an’i Madagasikara ka manaraka ny rariny sy ny hitsiny ary miasa ny fitondrana dia tonga ho azy ny vahiny manampy » hoy i Jean Claude, mpampianatra eny amin’ny ambaratonga ambony.
Fampanantenaina fotsiny ihany sa tena hotanterahina tokoa izany ?
Nicole Rafalimananjara
