SocialTsidika

Maro ny tombontsoa azo avy amin’ny sehatry ny fandrarahana.

Mbola tena sarotra ankehitriny ny fitadiavana asa eto Madagasikara. Lasibatra amin’ny tsy fanànana asa ny tanora. Tsy mifidy izany na ireo nahita fianarana na ny tanora tsy nanana fahafahana hanatanteraka izany nohon’ny antony maro. Ny orinasa koa etsy ankilany mitady olona tena manana ny traik’efa an-taonany maro vao afaka mandray. Tsy manan-katao ny betsaka amin’ireo efa nahavitra ny fianarany, hany ka zary lasa mipetraka fotsiny. Azon’ny tanora hatao tsara anefa ny miditra amin’ny sehatry ny fandraharahana izay hita fa mbola vitsy ny manao izany eto amintsika. Variana amin’ny fitadiavana asam-panjakana ny ankabeazan’ny tanora. Ankoattra izany, mbola misisika hiasa amin’ny orinasa maro ihany koa izy ireo. Tsy latsa-danja ihany koa anefa ireo liana amin’ny tontolon’ny fandrarahana ihany fa ny olana ara-pamatsiana ny tetik’asa no manahirana azy ireo. Misy ny ezaka ataon’ny “Madagascar Entreprise Développement” na ny MED mba hidirana bebe kokoa eo amin’nny sehatry ny fandraharahana. Miteraka tombotsoa maro ny fananana ny tetik’asa manokana. Izany indrindra no handrisihan’izy ireo ny tanora mba hiroso bebe kokoa amin’io sehatra io. Mikarakara hetsika etsy amin’ny zaridainan’Antananarivo araka izany izy ireo ny 29 Aprily ka hatramin’ny 1 may 2021 ho avy izao. Miara-miasa amin’ny tetik’asa Tanora Masoivohon’ny Filaminana eto Iarivo na TANOMAFY ny MED mandritra izany. Tanjona ny hanohanana ny tanora amin’ny tetik’asany. Hanome fampihofanana manokana izy ireo mba hahatonga ny tanora hahatsangana ny orinasa keliny. Ilaina moa ny fotoana tahaka izao mba hahatonga ny tanora ho tia karokaroka. 

Fanilo Rarivoarilala

Laisser un commentaire