Ady politika eto Madagasikara : Voasaringotra hatramin’ny zaza.
Tsy mifidy vava ho avoaka ny mpanohitra sy mpanohana ny fitondrana. Mafana ny toe-draharaha politika teto Madagasikara tamin’ny fiandohan’ity taona 2021 ity. Hita amin’ny fifanasana vangy ataon’izy ireo anaty haino vaky jery izany. Hita ihany koa tamin’ny fidinana an-dalambe nokasain’ny mpanohatra. Samy mamely izay hitany fa mankarary ny hafa ny roa tonta. Tonga hatrany amin’ny fanalana baraka ireo zanaka nateraka izany. Ny mpomba ny fitondrana nanaratsy ny zanaky ny mpitolona ao amin’ny Miara-manonja. Ny mpanohitra mahavita mamorona sary mamoafady entina hamaliana izany. Tanteraka ilay ohabolana hoe ny lehibe no miady dia ny zaza no voatorotoro. Tsy misy etika intsony ny fanaovana politika eto amintsika. Tena izay tokoa ve ny atao hoe politika ?
Dinah Razanajatovo
