ActualitésTsidika

Festival Somaroho : Hafana ny famaranana ny Volana Aogositra any Nosy Be

Nivoaka tamin’ny fomba ofisialy ny fandaharam-potoana rehetra mandritran’ny Festival Somaroho andiany fahavalo izay tanterahina any Nosy Be Hell Ville toy ny mahazatra. Hizotra ny faha 25, 26, 27, 28 ary ny 29 ny volana Aogositra io hetsika io.

Ny Festival Somaroho izay hetsika ara-kolotsaina tanterahina any amin’ny faritra avaratry Madagasikara isan-taona, fampisehoana ara-java-kanto izy ity ary andraisan’ireo mpanakanto kalaza maro eto Madagasikara.

Tao amin’ny Galaxy Andraharo, izay ivon-toeram-piasan’ireo mpiaramiombon’antoka amin’ny Festival Somaroho eto Antananarivo no nivoaka ity peta-drindrina mirakitra ny fandaharam-potoana momban’azy ity ka natonta sy naparitaka manerana ny nosy. Ilay mpihira malaza teratany Congolais Innoss’B sy ilay teratany kaomorianina Goulam no nahazo ny ivon’ny peta-drindrina ary manaraka azy ireo ireo mpanankato Malagasy ambiny rehetra izay mandray anjara amin’ity hetsika ity.

Toy izao ny fizotran’ny hetsika : hosokafana amin’ny « carnaval » ny fetiben’ny Somaroho, hanaraka izany ao amin’ny Kianjan’i Ambodivoanio ny faha 26 i Raiven, Tinah, Nael, Ngiah Tax, Deszo ary i Zandry Ahmed. Handimby azy ireo ny ampitson’io ny mpanakanto Goulam izay arahin’i Janga Ratah, Rijade, JiorShy, Jhal Tho ary i Rojovola. Ny andro fahatelo no hisantatra ny sehatra ny tarika Ambondrona ary hanaraka azy ireo i Basta Lion, Mad Max, Big MJ, Innoss’B ary i Stephanie. Mamarana ity festival ity Wawa ilay mpanjakan’ny salegy sady loharano nipoiran’izao hetsika mampiombona vahoaka maro izao ity ny Alahady 29 Aogositra 2021. Vakodrazana, Olo mazava ary Mily Clement no mamarana ny hetsika miaraka aminy.

 Nanambara moa i Wawa tao amin’ny pejiny fa tena hangotraka ity andiany manaraka ity. Ary nandritran’ny firesahany tamin’ireo mpanao gazety dia nilaza izy hoe: « Hafaliam-be indray ny fiarahana amin’ireo mpandray anjara amin’ny Somaroho hatramin’izay, ary eny fa na dia misy aza ny fahasarotany eo amin’ny raharaham-pirenena dia tanteraka ihany izy ity ». i Beranto izay mpitendry gitaran’ny tarika Ambondrona ihany koa dia nilaza ny vetsovetsom-pony: « Am-pitiavana foana ny handraisana anjara amin’ity Festival ity, hetsika izay mampisondrotra sy mampifandray hatrany ny mpanakanto rehetra na ny eto an-toerana na ny avy any ampitan-dranomasina ».

Anisan’ny hetsika izay tena manintona olona maro ity Festival Somaroho ity raha atao ny jeritodika an’ireo andiany fito efa vita. Eny fa na dia ny mpizahan-tany aza dia maro no liana amin’izy ity. Fety, korana, hiakiaka arahin-tehaka mavesatra hatrany no mandravaka ny fizotry ny fampisehoana. Ny tsara ho antitranterin’ny tomponandraikitra mpikarakara ity lanonana ity dia ny hoe: Aiza ho aiza ny fanarahana na ny fanajana ireo fihetsika ara-pahasalamana izay mbola tokony ho ampiharina hatrany?

Tsangy Randriamampianina

Laisser un commentaire