Tetikasa Mionjo : Nanolotra vola mitentina 25 tapitrisa USD ny Banky Iraisam-pirenena hanarenana ny tontolo iainana
Nanolotra vola 25 tapitrisa dollars ny Banky Iraisam-pirenena hanarenana ny Tontolo iainana any amin’ny faritra Atsimon’i Madagasikara. Ny ady amin’ny hain-tany , ny faharipahan’ny ala, ny tiomena, sy ny fambolena hazo amin’ny faritra midadasika, hatramin’ny 1 500ha no harenina amin’izany. Mponina miisa 1 400 000 avy ao Anôsy, Androy, ary Atsimo Andrefana (Kaominina miisa 235) ihany koa no hisitraka mivantana ny tombontsoa avy amin’izany.
