ActualitésTsidika

Diana : Ho hentitra ny fampanarahan-dalàna ny fitrandrahana volamena ao Ambilobe

Tsy hita taratra amin’ny fampandrosoana ny kaominina Ambilobe Diana ny fitrandrahana volamena misy ao an-toerana. Mba ahafahana mamadika izany ho fampandrosoana dia nisy ny fivoriana natao tao Ambilobe, nandraisana fepetra vaovao araka ny lalàna.

« Mahatratra 894,3 Taonina ny volamena nivoaka tao Betsiaka, kaominina Ambilobe, faritra Diana tao anatin’ny 22 taona (2000-2022) nisian’ny fitrandrahana. Tsy ampy ny fanaraha-maso. Tsy manao fanambarana ny olona nahazo ny volamena kanefa maro ny mpividy volamena tsy ara-dalàna ». hoy ny filohan’ny komity mpampihatra ny dina, Razafy Tsimiovalaza Richard. « Tsy mampiditra ny tamberim-bidy amin’ny kaominina sy ny faritra ireo mpivarotra sy mpitrandraka. Tsy misy ny mangarahara ahafahana manaraka ny fivoahan’ny volamena. Orinasa mpividy volamena, amin’ny sokajy faharoa, antsoina hoe Madagold, iray monja no fantatra fa ara-dalàna ao an-toerana. 25 amin’ny mpanangom-bokatra 200 no manana taratasy ara-panjakana » hoy ny avy ao amin’ny kaominina Ambilobe.

Hametrahana « guichet unique » any an-toerana mba hanamora ny fampanarahan-dalàna. Nisy ihany koa ny fepetra fanarahan-dalàna hafa toy ny fanentanana ny mpitrandraka sy ny fanamafisana ny fanaraha-maso

Nicole Rafalimananjara

Laisser un commentaire