ActualitésTsidika

Alasora: Mpanagalatra jiro an-dalambe tratran’ny polisy

Roa lahy no tratran’ny avy ao amin’ny CSP Alasora, ny faran’ny herinandro teo am-panaovana ny asa ratsiny. Mpanimba sy mpangalatra ireo jiro mandeha amin’ny alalan’ny herin’ny masoandro izay napetaky ny kaominina mba hanazavana ny tanàna, tao amin’ny fokontany Mahitsy izy ireto araka ny voalaza.

“Noho ny fiaraha-miasa teo amin’ny fokonolona sy ny Polisy dia tra-tehaka teo am-pakana jiro (lampadaire ) teny amin’ny fokontany Mahitsy izy roalahy ireto ary niaiky ny halatra nataony” hoy ny avy amin’ny polisim-pirenena.

“Ho fikojakojana ireny foto-drafitr’asa napetraka eny an-dalambe ireny dia manentana antsika rehetra mba ho sarotiny amin’ny fikojakojana ireny fananam-bahoaka ireny ary hampandre ny mpitandro filaminana avy hatrany hahafahan’izy ireo mandray andraikitra amin’ireo olona tsy manaja sy manimba izany” hoy hatrany ny fanazavana.

Anisan’ny mampirongatra ny tsy fandriam-pahalemana ny haizina. Mila sarotiny ny mponina amin’ireo tia kely sy mpangalatra ny fananana iombonana tahaka izao. ilaina ny fametrahana andrimaso sy ny fahasahiana mitoroka ao anatin’izany.

Manitra R.

Laisser un commentaire