Etats-Unis : Renim-pianakaviana iray no namono ny zanany
Maro ny tranga famonoana zanaka ao Etats-Unis. Nisehoan’izany indray tao Nouveau-Mexique. Raim-pianakaviana iray no nitondra ny zanany lahy 11 taona nitsoaka tao Hobbs rehefa niharan’ny herisetra nataon’ny reniny antsoina hoe Mary Johnson. Nifona tamin’io raim-pianakaviana io nefa ity farany ary nilaza taminy fa maniry ny ahita ny zanany.
Noho izany dia nitoetra nandritra ny fotoana vitsivitsy niaraka tamin’io vadiny taloha io sy ny zanany i Mary Johnson. Indray nefa raha natory ilay raim-pianakaviana dia nahare hikiaka. Rehef nijery ny zava-nisy izy dia ny zanany voatsatok’antsy no novantaniny ary rehefa nandeha nijery an’i Mary Johnson izy dia nahatsikaritra fa voatsatok’antsy ihany koa ny tenany.
Namoy ny ainy manoloana ny ratrany tany amin’ny hopitaly ilay zazalahy raha avotra soa aman-tsara kosa i Mary Johnson. Nilaza ny tenany fa nisy nanafika izy mianaka saingy ny tsy fantatr’ilay renim-pianakaviana dia mbola nahavita nitoroka tamin’ireo mpitsabo azy ny zanany alohan’ny nahafatesany. Manoloana izany dia voaheloka higadra 20 taona i Mary Johnson.
