Ambohimanga Rova : Tontosa ny fambolen-kazo
Tontosa afak’omaly ny fambolen-kazo tao Ambohimanga Rova. Ny fikambanana Manohisoa sy ny kaominina Ambohimanga Rova no niara-niasa tamin’ny fahatanterahana izany.
« Fotoana izao hanarenana ny tontolo iainana. Isaorana ny kaominina niara-nientana tamin’izay tamin’ny fahatanterahan’izao fambolen-kazo izao. Hisy indray ny fanaraha-maso aorian’ny fambolena » hoy ny avy ao amin’ny Fikambanana Manohisoa. « Raha samy mandray anjara amin’ny fambolen-kazo ny rehetra dia azo antoka ny fahatratrarana ny tanjona. Adidintsika amin’ny maha olom-pirenena antsika rahateo ny manamaitso ny firenena ho Gasikara soa tokoa » hoy i Herilanto, manam-pahaizana mikasika ny fandrosoana lovain-jafy.
Zava-dehibe ihany koa ny fanaraha-maso ny voly hazo mba tsy ho very maina ny ezaka. Ny mponina eny ifotony no tena andrasana amin’izany.
Hasina Rasamimanana
