1835- 1897 : I Andrianaivoravelona Joseph no mpitandrina voalohany teto
Teraka tao Ambohitromby tamin’ny 1 Janoary 1835 i Andrianaivoravelona Joseph, zanak’Andrianavalona sy Razafimalala. Taizan’ny kristianina izy. Nianatra soratra, namaky Soratra Masina sy tononkira maintimolaly.
Niaina ny fivavahana kristianina tao anatin’ny fanenjehana. Nanambady an-dRaketaka Ravelonanahary ary niteraka 16 izy mivady. Nianatra tao amin’ny Kolejin’ny LMS manomana ho mpitandrina ny 1869 na dia efa lehibe aza. Kristianina tao Ambatonakanga izy. Lasa mpivavaka teto Ambonin’Ampamarinana rehefa nijoro ny Fiangonana teto, 150 taona lasa izay. Lasa mpitandrina teto izy (1866 – 1897), dia mpitandrina malagasy voalohany.
Niaraka tamin’ny misionera Briggs tamin’ny fiadidiana ny Fiangonana miray amin’Ambonin’Ampamarinana. Mpitoriteny mahery, “Spurgeon Malagasy”, mpamoron-kira kristiana maro hita ao amin’ny fihirana FFPM izy. Niara-nanao ny tranovato teto niaraka tamin’ny Fiangonana izy ary nitokana izany. Nandray anjara lehibe tamin’ny fanitsiana ny baiboly Malagasy, Diksionera velona nipetraka. Maty sesitany tany La Réunion
Nicole Rafalimananjara
