Chine : « Opéra chinois », seho an-tsehatra miavaka
Misy karazany telo ny « Opéra chinois ». Ny « Opéra chinois » na teatra nentim-paharazana an-kiran’i Chine atao hoe « xìqǔ » izay nitovy tamin’ny teatra chinois hatramin’ny taonjato faha-20. Misy ihany koa ny « huaju », teatra atao am-peo nalaina tamin’ny tandrefana nampidirina tamin’ny taonjato faha-20 ary ny seho teatraly tena malaza « quyi « izay ny zava-kanto aseho amin’ny tantara, hira ary seho samihafa toy ny « bateleur » izay nianga tamin’ny « xìqǔ ».
Ny teny hoe « xiju » no manondro ny teatra amin’ny ankapobeny izay mizarazara endrika maro araka ny fiaviana ara-jeografika na ara-kolontsaina. Tara ny fahatongavan’ny teatra tao Chine (taonjato faha-12), raha oharina amin’ny teatran’i Grèce Antique. Ny « cultes médiumniques de l’Antiquité » no fiavian’izany lavitra indrindra raha ny fantatra. Ireo « chamanes » no nanao dihy sy hita tamin’izany izay nampifandraisina tamin’ny teatra. Ara-pinoana noho izany no niavian’ny teatra tao an-toerana.
Miavaka ny « Opéra chinois », misy heviny avokoa ny fihetsiky ny mpilalao, ny fiakanjony ary ny lokoloko eny amin’ny tarehiny. Misy sokajina mpilalao 4 matetika hita ao aminy ny « sheng » ataon’ireo lehilahy, ny «dan » ataon’ireo vehivavy, ny « jing » midika hoe milokoloko tarehy ary ny « chou » na ireo « clown ».
