Miverina tsikelikely amin’ny fiainana andavan’andro ny mponina
Miezaka ny mitafa sy manao jery todika ny akon’ny valan’aretina eto Madagasikara ny eo anivon’ny fitondrana isaky ny dimy ambin’ny folo andro (15).
Omaly alina dia nitafa tamin’ny vahoaka Malagasy tsy vaky volo ny Filoha ary nanao ny jery todika ireo hezaka efa vita nandritry ny fisian’ny valan’aretina teto Madagasikara. « Efa any ivohon-tsika ny onja faha-roa » hoy izy tao anatin’ny valan-dresaka izay nataony.Tao anatin’izany no nanambarany ihany anefa fa mitohy ao anatin’ny dimy ambin’ny folo andro ny ahamehana ara-pahasalamana eto Madagasikara, « miverina tsikelikely amin’ny fiinana an-davan’andro isika na mbola mitoetra aza izany »hoy ihany izy. Maro ireo fanehoan-kevitra nataony mikasika ireo toe-draharaha mafana misy eto Madagasika amin’izao fotoana izao fa ny fepetra ara-pahasalamana no tena nasongadina sy nandrasan’ny vahoaka fatratra. No alefahana arak’izany ireo fepetra noraisina hatrizay, « tsy mihatra eto amin’ny tanin’i Madagasikara intsony ny fetr’ora ahafahana ivezivezena izay nisy teo aloha, tsy maintsy hajaina hatrany anefa ny fepetra sakana raha toa ka hivoaka ny trano ary tsy maintsy mbola anaovana ny aro vava orona.
Efa azo atao ny fikarakarana sy fanaovan-danonana ary famorian’olona ankalamanjana, anefa kosa tokony tsy hiohatran’ny hefa-jato izany raha lanonana anaty trano.Tsy mbola misokatra kosa anefa ireo toeram-pandihizana amin’ny alina noho izy ireo anaty trano ary misy fifampitakosonana ». « Na eo aza izany dia mbola tsy misokatra ny habakabak’i Madagasikara ho fandraisana ireo sidina avy any ivelany,na eo aza izany anefa dia hisy ny sidina miisa hefatra manokana hampodiana ireo tera-tany Malagasy maniry ny ody eto an-tanindrazana » hoy ihany ny Filoha.
« Isaorana ny tompon’andraikitra ambony naka izao fanapahan-kevitra izao ary nanalefaka izay teo aloha,fa efa manomboka mijaly sy mosary ny vahoaka, na an-drenivohitra na ny any ambanivohitra noho ireo sakana tsy fahazoana mkifamezivezy malalaka sy ny sisa » hoy i Rondro mpikarakara hetsika,raha naneho ny heviny manolona ny fanambarana izay nataon’ny Filoha. Milaza anefa i Gregoire etsy ankilany fa « ny asa vita no ifampitsarana, tsy ao anatin’ny fanaovana fampilezan-kevitra intsony isika izao ka anao fampanantenana fa tokony arahan’asa daholo ireny voalaza rehetra ireny.
Fanja Rakotoarisoa
