ConseilTsidika

Torohevitra : Miaro amin’ny AVC ny fihinana « choux fleur »

Fotoana fiakaran’ny « choux fleur » tokoa amin’izao fotoana izao, ary marobe izy ireny hitantsika eo an-tsena fivarotana legioma eny.

Ny choux fleur dia manan-karena singa sy otrikaina izay ilain’ny vatana. Mahasalama ary miaro amin’ny aretin samihafa ny fihinanana azy toa ny homamiadana sy ny aretin’ny fo.

Mampatanjaka sy mampatsilo saina ihany koa izy satria ahitana karazana vitamine toy ny B1, B2, B3, B6 ary ny B9 ; ahitana ihany koa ny vitamine K. ankoatra izay, dia legioma mitondra faosifaoro, pôtasioma ihany koa izy io izay tena ilaina idrindra amin’ny ankizy.

Anisan’ny miady amin’ny AVC ity legioma ity noho ny fananany « antioxydants » betsaka izay miaro amin’ny aretin’ny fo sy ny fahatapahan’ny lalan-drà.

Manitra R.

Laisser un commentaire