Conseil

Manana anjara toerana lehibe eo amin’ny fampandrosoana ny firenena ny teny.

Mampiavaka ny firenena iray ny fananany teny ary lasa harena ho azy mihitsy aza. Ny 21 febroary lasa no andro fankalazana iraisampirenena ho an’ny tenin-drazana. Manana ny tenintsika isika malagasy dia ny teny malagasy izany. Marina fa samy manana ny fiteniny ny foko sy ny toerana tsirairay eto Madagasikara. Mbola ny teny malagasy kosa no manambatra ny mponina rehetra. Manamora ny fifankahazoana ihany koa izany. Kolontsaina ny teny ka tsy tokony atao tsinotsinona na atao ambanin-javatra fa tena manana ny maha izy azy. Aoka tsy ho toy ny valalan’amboa, ka na ny tompony aza tsy tia, fa ho mamintsika hatrany sy hireharehavantsika ny fananana azy. Tany Vatovavy Fitovinany no toerana natokan’ny Ministera ny serasera sy ny kolontsaina nanatanterahana izany ho amin’ity taona ity. « Raika avao atsika ndre da samby hafa ny fijakana » no lohahevitra nitondrana ny fankalazana izany andro manerantany ho an’ny tenindreny izany izany hoe atambatry ny tenindreny isika na dia samy hafa aza. Noho izany mila tandrovana sy koloina ary zaraina sy ampahafantarina ny tenindreny fa sady tombotsoa ho an’ny taranaka izany no tombotsoa ho an’ny firenena satria mitondra fampandrosoana. 

Nicole Rafalimananjara

Laisser un commentaire