Hitondra filaminana eto Madagasikara ve ilay tatitra tian’ireo solombavambahoaka ireo hatao ?
Andraikitry ny Solombavambahoaka ny fanaovana tatitra amin’ny vahoaka raha araka ny lalam-panorenana malagasy. Tsy tontosa anefa ilay tatitra saika nataon’ny solombavambahoaka lany avy amin’ny anaran’ny antoko Tiako I Madagasikara, na TIM, ny asabotsy 20 febroary lasa teo. Tsy nanaiky ny hanaovana izany eny amin’ny kianjan’Ambohijatovo ny avy amin’ny prefektiora noho ny fanavaozana izay hatao amin’io toerana io. Nanolo-kevitra ny hanaovana izany eny Soamandrakizay izy ireo saingy eny amin’ny kianjan’ny 13 May no kendren’ny avy ao amin’ny TIM raha tsy azo aleha ihany ao amin’ny Kianjan’Ambohijatovo. Nofehezin’ireo mpitandro filaminana ny toerana teny Analakely sy ny manodidina io sabotsy io ka na ny fifamoivoizana teny amin’iny toerana iny aza tapaka. Noho izany tsy nisy azon’ireo saika hanao ny tatitra atao afatsy ny nijanona tany amin’ny misy azy. Nisy anefa ny vahoaka tonga hihaino io tatitra io fa nody maina fotsiny. Teo ihany koa ireo voasambotra izay voalaza fa nizara vola hanakorotanana sy nandray anjara tamin’ity hetsika tsy nahazoana alalana tamin’ny Sabotsy teo ity. Tsy nanaiky izany ny avy ao amin’ny antoko TIM ka miantso ny vahoaka hihaino ny tatitra ataon’ny solombavambahoaka mba tsy hihemotra manoloana ny zava-miseho izay lazainy fa jadona sy ny fanamparam-pahefana ary koa ny antsojay ataon’ny mpitondra. Filaminana tokoa ve sa korotana eto amin’ny tany sy ny firenena no mety ho vokatr’izany tatitra izany hiantsoana ny vahoaka izany ?
Nicole Rafalimananjara
