Mananakasina : Fokontany iray mandry fahalemana
Tsy manadeha alavitra fa ato anatin’ny distrikan’Avaradrano ihany. Ahitana fokontany 22 ao amin’ny Kaominina Ambohimanga Rova, ary isan’izany i Manankasina. Roa kilometatra tsy ahatongavana eo amin’ny renivohitry ny kaominina no ahitana ity fokontany ity.
Teny roa nakambàna dia ny hoe « manana » sy ny hoe « hasina » no nahatonga ilay anaran-tanana hoe « Manankasina ». Araka ny maha tanàna kely ao anatin’ny vohitra masina azy dia manana ny tantarany miavaka koa io tanàna io, izy rahateo koa moa ao amin’ny kaominina Ambohimanga Rova.
Raha raha ny fanazavan’ny ben’ny tanàna dia « toerana fakan’ny mpanjaka Andrianampoinimerina aina izy io ary feno hasina naniry teo aminy, ka nolazaina ho toerana manana ny hasiny mhintsy io toerana, mbola ao koa ilay vato napetraky ny mpanjaka Andrianampoinimerina, tamin’ny taona 1810 tany ho any, mbola misy fiangonana niorina tamin’ny taona 1872 koa ao an-toerana”.
Feno tamboho gasy ao an-toerana, kanefa dia vitsy ny olona nonina tao fahiny. Nataon’izy ireo tarigetra ny hoe « Ny firaisan-kina no hery » ka izay no nahavitany izany. Amin’ny maha mponina amabnivohitra ny olona ao an-toerana dia mbola misy ny olona manao ireny « takalo » ireny, resaka asa no ifaovana takàlo ao amin’izy ireo.
Fokontany iray azo lazaina ho mbola hanjakan’ny fandriam-pahalemana, raha eto Antananarivo, i Manankasina. Mety ho amin’ny maha-ambanivohitra azy ve ? Misy anefa fokontany ambanivohitra fa hitrangan’ireny asan-dahalo ireny ihany. Ny ben’ny tanàna tao an-toerana mihitsy no nanamarina an’io ary na hatramin’izao taona 2021 izao aza dia mbola mandry fahizay io tanàna io.
Efa miaina amin’ny fandrosoana ny kaominina Ambohimanga Rova, ary maro ny foto-drafitr’asa vaovao natsangana ao an-toerana. Toy izany izao ny « barrage » lehibe vaovao iray, ao Mananakasina. Rehefa any ambanivohitra dia mbola mpamboly sy mpiompy ny ankabeazan’ny olona, ka toy izay indrindra ny mponina ao Manankasina, tsy avelan’izy ireo ho ngazana ny tanim-bar sy ny tanim-boly midadasika fa hanararaotany hanaovana asa fivelomana.
Raha ny fitantaran’i Luisette, mponina iray ao an-toerana dia « ny lalana no mbola azo lazaina ho ratsy ka anisan’ny lasa sakana ho an’ny fandrosoan’ny tanàna ». Efa ahitàna zavatra maro kosa ao an-toerana toy ny : tobim-pahasalamana (CSB2), ny sekoly ary ny toerana fivoahana iombonana sy fatsakàna. Vao tsy ela no nisy ny fifanarahan’ny masoivohon’ny Corée du Sud sy ny ben’ny tanàna ny amin’ny hanantaterahana foto-drafitr’asa maro, liam-pivoaràna ny tanàna ka nanaiky tsy am-pisalasalàna, antenaina ihany koa ny hahavitàn’ny lalana simba sy mila arenina ao anatin’izany.
Mahaliana sy mahafinaritra tokoa ny fokontanin’i Manankasina, ary azo atao tsara ny mitsidika ny tanàna. Maro olona manan-talenta koa ao an-toerana ka azo iaraha-miasa tsara, ny fandrosoana rahateo efa mananontanona.
Lovasoa Tojonirina
