ActualitésTsidika

Musée de la photographie Andohalo : Manome tolotra maro

Eny Andohalo eny no ahitana ity toerana iray ity. Toerana ahafahana mahazo fahalalana, ahafahana mianatra, mifanakalo hevitra, miala voly ary makamaka rivotra ihany koa. Tolotra maro no omen’ny ekipan’ny Musée isan’andro. Misokatra isan’andro ity toerana ity manomboka amin’ny 8 ora ka hatramin’ny 5 ora hariva afatsy ny alahady irery ihany.

Niorina ny taona 2013 ity toerana ity, avy amin’ny fiaraha-miasan’i Helihanta Rajaonarison sy i Cedrick Donck, mpandraharaha manana iraka ny handrakitra ara nomerika ireo sary rehetra nisy teto Madagasikara ny taona 1860 ka hatramin’ny taona 1960. Ny tanjona tamin’izany moa dia ny mba hanomezana lanja sy hahafahana mitahiry sy mampatsiahy ny tantara amin’ny Malagasy aty aoriana. Notazomina noho izany izay tanjona ziay ka niara-niasa tamin’ny trano tahirim-pirenena izy ireo sy ireo mpaka sary maro teto Madagasikara, ary natsangana ny Musée de la photographie. Efa miisa 4 000 mahery izao ireo sary izay voarakitra sy hampirantina sy efa nampirantiana tao an-toerana.

Hita eny Andohalo eny amin’ny « La Haute-Ville » eny ity toerana ity, ary maro ireo tolotra ao aminy. Manana efitrano ahafahana mijery horonantsary mahakasika ny tantaran’ny Madagasikara maro izy ary manana ihany koa efitrano fampirantiana sary maro. Eo ihany koa ny zaridaina sy ny toeram-pialana sasatra izay mahafinaritra. Raha tsy hiteny fatsy ny fampirantiana ny sary rehetra izay nataon’i Ramilijaon izay nanomboka ny 20 oktobra teo ary tsy hifarana raha tsy ny aprily 2023 izao dia mbola maro ny hetsika azo jerena eny isan’andro.

Muséé iray natao hamantarana ny tantaran’ny Madagasikara ity toerana ity. Ny olona rehetra no manana adidy hahafantatra izany tantara izany ka izay no antony nananganana ity toerana ity ary nosokafana ho an’ny daholobe rahateo izany.

Miora Raharisolo

Laisser un commentaire