ActualitésTatitra

Comores : Higadona ao an-toerana amin’ny faran’ny volana any ny « câble 2Africa »

« Câble » isany be mpitady indrindra amin’izao fotoana ny «câble 2Africa » izay efa mahatratra 500 Gb. Avy amin’ny orinasa Meta (Facebook) izy io lava indrindra eran-tany amin’ny refy 45 000 kmn, mandalo fantsona 46 miparitaka amin’ny firenena manodidina ny 33 isa eo.

Noho ny fiaraha-miasan’i Comores tamin’ny Saudi Telecom Company dia hisitraka io « câble » io izy. Higadona ao amin’ny nosy any amin’ny faran’ny volana desambra any ny fitaovana ary efa vonona ireo teknisiana hiandraikitra izany hoy ny tale teknika misahana ny « Câbles » ao Comores Ibrahim Boina. Mbola any amin’ny taona 2024 any nefa no vinavinaina hampiasana io « câbles » io voalohany.

Laisser un commentaire