Bealanana : Naiditra am-ponja vonjimaika ilay lehilahy nikasi-tanana ny lehiben’ny Distrika
Nosamborin’ny mpitandro filaminana ilay tovolahy nikasi-tanana ny lehiben’ny Distrika tao Bealanana. Naiditra am-ponja vonjimaika izy avy eo.
« Noraisin’ity mpamily Bajaj teo amin’ny vozon’akanjony ilay olo-manan-kaja. Ity farany manko naniraka azy hampangiana ny klakisona lavareny izay nanakorotana ny fivorian’izy ireo » hoy i Vola, mponina ao Bealanana. « Tsy namaly mihitsy ny lehiben’ny Distrika nanoloana izany. Nampiseho ny fahendreny izy ary nanaja ny asanay mpitandro filaminana » hoy ny mpitandro filaminana any an-toerana.
« Tsy azoko ny tena nahatonga ity lehilahy ity hanao izany. Izaho mieritreritra hoe mamo izy ka tsy tompon’ny tenany. Nefa azo heverina ihany koa ny hoe nisy teny tsy zakany natao taminy » hoy i Rollande, mpivarotra teo amin’ny manodidina nahita mivantana ny tranga. Niteraka resa-be any an-toerana ity tranga ity. Inona tokoa no tena antony nahatonga ilay lehilahy nanao izany fihetsika izany ?
Nicole Rafalimananjara
