Entona fandrehitra: Nijery ifotony ny fivarotana ny Ministera
13 Janoary, 08h00. Niara-nidina teny anivon’ny mpaninjara mivarotra entona fandrehitra Vitogaz ny delegasiona avy eo amin’ny Minisiteran’ny Fampiroboroboana ny Indostria sy ny Varotra ary ny Fanjifana. . Ara-dalàna avokoa ny entona fandrehitra sendra azy ireo teny amin’ny Shell Behoririka sy Supermaki Ankadifotsy. Hitohy manerana ny Nosy ny hetsika fanaraha-maso sy fanamarinana ao anatin’ny fotoana tsy voafetra.
