Dépêches

Ambohihady Ambohimanarina : lehilahy nianjera avy eny ambony haram-bato

29 Aprily, 12h00. Lehilahy iray nianjera teny amin’ny kariera Ambohidahy, ny Alarobia 28 Aprily lasa teo. Toerana avo amin’io kariera io no nianjerany ka nampikorisa azy tany amin’ny haram-bato am-polony metatra. Nisy fako nitaty azy taty ambany ka nanavotra ny ainy na dia naratra ihany aza izy. Tsy fantatra izay tena anton’izao fianjerana izao. Saika hamono tena ity lehilahy ity hoy ny filazan’ireo nanatri-maso kanefa ny fianakaviany dia nilaza fa fianjerana tsy nahy iny satria tia kisotrosotro izay ity lehilahy ity. Efa nalain’ny fianakaviany notsaboina izy.

Laisser un commentaire