Ady amin’ny fanadiovambola : Voatendry ny tale jeneraly vaovao ao amin’ny SAMIFIN i Rajaonarison Mamitiana
Isan’ny marika tsy mampandroso ny firenena iray ny kolikoly na toy ny inona ny endriny. Tafiditra anatin’izany ny firenena Malagasy, izay tena miady tanteraka amin’io kolikoly io na dia eo aza ilay fitenena hoe « ny olombelona jamban’ny vola », ka raha ny vola no manjaka dia manaraka ho azy ny kolikoly. Isan’ny ezaka hiadiana amin’izany ny fanendrena ny tale jeneraly vaovao eo anivon’ny Service de Renseignement Financier na SAMIFIN izay notontosaina ny alarobia 28 aprily lasa teo teny amin’ny Fitsarana an-tampony Anosy. Voatendry tamin’izany i Rajaonarison Mamitiana. Anisan’izany ny vina lehibe mandritra ny fotoana hitantanany ny ho lasa hatahoran’ny olona ny manao fanadiovambola eto Madagasikara ary ho hentitra ny fomba fiasan’izy ireo. « Hanao ezaka be izahay, na ny vola maloto avy any ivelany na ny eto amintsika. Raha hita ny vola maloto, halaina ary haverina any amin’ny fanjakana. Hanatanterahana izany ny fifantohana amin’ny antontan-taratasy lehibe « grand dossier » » hoy ity Tale Jeneraly voatendrin’ny Filoham-pirenena ity. Hiezaka hitrandraka sy hitady vaovao ny SAMIFIN, fa tsy hiandry intsony ny fanambarana momba fandoavan-ketra avy amin’ny banky sy ny orinasa, ary hiezaka hamantatra ifotony ireo nanondrana harem-pirenena. Notsindriany fa hohajaina ny tsiambaratelon’ny asa, fa tsy mahomby ny fanadihadiana raha vao fantatry ny olona tsotra. Anisan’ny niatrika ny fianianana nataony ny filoha Rajoelina Andry ka nilaza fa hofantarina hatrany ifotony ny nanondrana ireny harem-pirenena ireny, sy ireo olona rehetra voakasik’izany eto Madagasikara. Mino sy manantena izany ny firenena fa hitondra vahaolana manoloana ny ady amin’ny kolikoly izao fanendrena vaovao izao. Ho vola madio amin’izay no hiodina eto amin’ny firenena fa tsy sanatria ho azo amin’ny kiloadoaka.
Nicole Rafalimananjara
