ActualitésTsidika

Mbola tsy tonga eto amintsika ny « variant Delta »

Azo lazaina ho firenena vitsy sisa no tsy tratran’ny variant Delta izay lazaina fa tena mandripaka tokoa raha mitaha ny variant hafa. « Izaho aloha tena matahotra raha ho avy tokoa izany, ny firenena mpanakarena na voa aza toa tsy mijaly be mihoatra antsika, koa aleo samy mitandrina ihany » hoy i Hanta renim-pianakaviana iray. Ny fitandremana ihany tokoa no vahaolana voalohany hanalavirana izany aretina izany. Nisy mihitsy aza ny fanambaran’I Profesora Randriamanantany Zely Arivelo, DGFS eo anivon’ny Ministeran’ny fahasalamam-bahoaka ny 13 jolay lasa teo. Na izany aza anefa mipetraka mandrakariva ireo sakana ara-pahasalamana satria ny variant Delta no mbola tsy tonga fa ny variant Afrika Atsimo mbola manjaka. Isika rahateo mbola ao anatin’ny hamehana ara-pahasalamana hatrany hoy ny Praiministra Ntsay Christian. Tompon’andraikitra isika tsirairay koa samia malina mandrakariva manoloana ny fisorohana ny aretina.

Nicole Rafalimananjara

Laisser un commentaire