Hosokafana ny fiaran-dalamby mampitohy an’i Soarano sy Ankorondrano
Isan’ny olana mampimenomenona ny rehetra ny fitohanan’ny fifamoivoizana eto an-drenivohitra. « Ny fanitarana ny lalana no itako vahaolana mba hanenana io fitohanana io » hoy Laurette, renim-pianakaviana mpiasa birao. Isan’ny vahaolana iray ihany koa anefa ny fanokafana indray ny zotram-piaran-dalamby izay efa ela no nokonokononina. Hiverina tsy ho ela ny fiaran-dalamby ho an’ny eto Antananarivo Renivohitra hoy ny tompon’andraikitra. Efa azo ireo lokomotiva miisa 10 hanatsarana sy hanamorana ny fivezivezena ato anatin’ny tanànan’Antananarivo ary vinaivinaina ho vita ato anatin’ny 11 volana izany. Zotra mampitohy an’i Soarano sy ny Lagara mankany Atsinanana mirefy 12 km sy mampitohy an’i Soarano ary Ankorondrano.
Efa azo ireo lokomotiva miisa 10 hanatsarana sy hanamorana ny fivezivezena ato anatin’ny tanànan’Antananarivo hoy hatrany ny tompon’andraikitra. Toy izao ny lalana, Amoronankona – Soarano dia 12 km ; Soarano – Ankorondrano dia 3,5 km. Tafiditra ao anatin’ny asa tanterahina ny fanamboarana ny plateforme, Fandrafetana ireo aro-fanina hiarovana ireo lalamby ; fanarenana ireo lalamby sy ireo fiantsoanan-dalamby manemotra ny lalamby ary ireo zavatra ilaina rehetra ahafahana mampandeha azy. (Station et quai de la gare ferroviaire, plateforme électrique, électrification des voies ferrées) hoy indray ireo teknisianina hanamboatra azy. Azo lazaina ho zava-baovao tokoa izany ary mety hanome endrika ny tanàna.
Nicole Rafalimananjara
