ActualitésTatitra

Bulgarie : Tafiakatra toerana roa i Gaël Monfils

Tafiakatra eo amin’ny laharana faha 18 ao amin’ny filaharana maneran-tany amin’ny tennis (ATP) i Gaël Monfils ny alatsinainy tao aorian’ny lalao famaranana nataony tao Sofia, ao Bulgarie. Tsy niova kosa ireo 10 mahery indrindra, i Casper Ruud no eo amin’ny laharana fahafolo ary i Roger Federer no eo amin’ny laharana fahasivy. Tsiahivina fa nahazo isa 3615 ity norvégien Casper Ruud nandritra ny fifanitsanany tamin’i Cameron Norrie tao San Diego. Mbola i Novak Djokovic (11 633) kosa no eo amin’ny laharana voalohany ary Daniil Medvedev (10575) no manaraka azy. Hitohy ao Californie amin’ny alakamisy izao kosa ny fifaninana.

Laisser un commentaire