ActualitésTsidika

Ankadikely Ilafy: Tokantrano maherin’ny 4000 no ahazo vatsin’ankohonana

Anisan’ny misitraka ny tetik’asa vatsin’ankohonana, avy amin’ny filoham-pirenena, ny kaominina Ankadikely Ilafy. Manerana ireo fokontany 18 ao an-toerana, tokantrano maherin’ny 4000 no hisitraka izany, rehefa nahazo fankatoavana ampahibemaso.

« Hisy ny peta-drindrina eny amin’ny fokontany tsirairay haneho ny lisitr’ireo mpisitraka izany. Ao anatin’ny telo taona izy ireo no ahazo izany ka isaky ny roa volana no handraisan’ireo mpisitraka vola eo anelanelan’ny 50.000ariary ka hatramin’y 70.000ar arakaraky ny fepetra sy sivana nametraka » hoy ny avy amin’ny kaominina.

« Ny tetik’asa dia natao indrindra ho an’ireo tokantrano tena sahirana ary mampiana-janaka amin’ny sekolim-panjakana MBA ahafahana manohana sy manampy azy ireo hivoatra amin’ny andavan’androm-piainany » hoy hatrany ny fanazavana.

Mila manamarina ny anarana ao anatin’ny lisitra araka izany ireo mpisitraka, izay nahazo fankatoavana ampahibemaso ny fahazoana izany mialohan’ny handrasaina izany vatsy izany.

Laisser un commentaire