Alasora: Mila heverina sy handraisana fepetra ny tsy fandriam-pahalemana
Nisehoana fanafihana mitam-piadiana teny amin’ny shop Liantsoa Ankadindratombo ny harivan’ny alarobia teo, tokony ho tamin’ny 06ora sy 45minitra. Olona iray mpamily fiara karetsaka nitondra mpanjifa no maty voatifitra nandritra izany ary vola dimy hetsy ariary no lasan’ireo jiolahy.
» Mila asiana fiheverana sy fandinihana manokana ary handraisana fepetra ny tsy fandriampahalemana ety an-tanàna fa tena efa tsy milamina intsony. Mijaly ny mponina satria efa tsy mifidy ora sy fotoana hanaovana asa ratsy ny olon-dratsy. Ny fampiharana ny lalàna sy ny sazy ihany mila fanamafisana fa matimaty foana ireo tsy manan-tsiny » hoy i Adéline, mponina ao Alasora.
« Misokatra ny fanadihadiana mahakasika ity tranga fanafihana ity. Tsy mipetra-potsiny na hitazana fotsiny ny mpitandro filaminana ao anatin’izao fa efa misy ny fiaraha-miasa eo amin’ny zandary sy ny polisy amin’ny fikarohana ireo olon-dratsy » hoy ny avy amin’ny mpitandro filaminana.
Maro ny trangana tsy fandriam-pahalemana niseho tato ho ato tao amin’ny kaominina Alasora. Miaina ao anaty tahotra sy tebiteby ireo mponina na andro na alina manoloana izany. Miandry fandraisana fepetra mahomby avy amin’ny tomponandraikitra, araka izany, izy ireo.
Manitra R.
