ActualitésTatitra

Azo ahodina ny « panneau solaire »

Atao inona tokoa moa ny « panneau solaire » rehefa tsy azo ampiasaina intsony ? Raha ny fanazavana dia eo amin’ny 30 taona eo no faharetan’ny fiasan’ny « panneau solaire » iray. Marihana fa tsy tonga dia maty avy hatrany io fitaovana io fa miha mihena tanjaka tsikelikely ary eo amin’ny faha-25 taona niasany eo izy no very ny 80% ny tanjany.

Azo ahodina ny « panneau solaire » efa tsy miasa intsony. Raha ny tatitra dia mbola azo hamokarana zava-baovao ny 94% ny singa mandrafitra izany. Ny « panneau solaire » dia misy « cadre métallique » vita amin’ny aluminium, takelaka fitaratra mafy, « membrane », « cellules photovoltaïques », « jointure étanche » vita amin’ny fingotra.

Ho an’i France dia isany orinasa misahana ny fanangonana ireo » panneau solaire » efa tsy mahavita ny asany intsony ny SOREN izay PV Cycle teo aloha. Amin’izao fotoana efa miara miasa amin’ny mpanangona sy mpanodina izany toy Galloo, ENVIE 2E Aquitaine ary ENVIE 2E Midi-Pyrénées izy ireo.

Laisser un commentaire