Tsidika

Distrikan’Andramasina : Horaisin’ny Faritra Analamanga an-tanana ny fanamboaran-dalana

An-taonany maro no efa nahasimba tanteraka ny lalana ao Andramasina hatrany Ambohimiadana. Efa maro noho izany ireo antso sy fanairana nataon’ireo mpampiasa iny lalana iny. Ankehitriny dia tapaka fa handray an-tanana ny fanarenana iny lalana iny ny Faritra Analamanga ka lalana mirefy 80 km miala eo Ambatofotsy hatrany Ambohimiadana no ho vitaina ao anatin’ny roa volana.

« Anisan’ny lalana tena be mpampiasa nefa ratsy dia ratsy iny lalana mankany amin’ny distrikan’ Andramasina iny, ka izay no antony tsy maintsy hirosoana amin’ny fanamboarana. Hizarazara araka ny fahasimban’ny lalana ny fanarenana ka miainga eo Ambatofotsy hatreo Andramasina izay mirefy 23 km. Eo Andramasina hatrany Anempoka misy 7 km. Miala eo Anempoka hatrany Alatsinainy Bakaro mirefy 19 km. Eo Anempoka hatrany Am­bohimiadana mahatratra 23 km » hoy ny avy amin’ny Faritra Analamanga. Ho fandraisan’anjaran’ireo fikambanan’ny mpitatitra any an-toerana dia nanampy tamin’ny fanodinana ireo fitaovana vaventy sy ny kamiao ary dia niantoka ny solika ahafahan’ireo fitaovana ireo miasa izy ireo.

« Mahatsiaro ho mpisitraka feno ary hahazo tombony betsaka amin’ny fahavitan’ny lalana izahay mpitatitra satria ho haingana ny fivezivezena ary hihena ny fahasimban’ny fiara rehefa vita ny lalana ka izany indrindra no handraisanay anjara mavitrika amin’ny asa fanavaozana » hoy ny avy amin’ny mpitatitra. Faritra anisan’ny mpamatsy legioma an’Antananarivo iny Faritra iny, saingy noho ny haratsian-dalana dia nihena ny famatsiana tonga eto Andrenivohitra. Ny olan’ny lalana dia olana miantraika amin’ny ankamaroan’ny Faritra eto Madagasikara, ary ireo faritra mpamokatra sy mpampatsy vokatra rehetra dia lasibatry ity faharatsian-dalana ity avokoa.

Miranto Andrih

Laisser un commentaire