Nivoaka haka laoka kanjo maty tany ilay vehivavy
Nisehoana heloka bevava indray tany Niherenana Vatomandry satria vehivavy iray hivoaka ny trano haka ravim-bomanga no maty namoy ny ainy. Vata-mangatsiaka efa mihosin-dra no sady miboridana ny tapany ambany no hitan’ireo fianakaviany. « Tombanana ho niharan’ny fanolanana ilay ramatoa, ary tamin’ny fomba feno habibiana no namonoana azy » hoy ny Zandarimaria ao Vatomandry.
« Nandeha naka ravim-bomanga tany an-tsaha no nivoahany ny trano io andro io, tokony tamin’ny 10 ora maraina. Tsy niverina anefa izy dia gaga ny vadiny, lalana efa fandehanany rahateo no nakany io ravim-bomanga io » hoy ny fianakaviany. « Niandrasako tamin’ny 12 antoandro sao ho tonga ihany kanjo efa vata-mangatsiaka sy mihosin-dra tanteraka no hitako » hoy ny vadiny. « Mangataka izahay ny mba tsy hahamelana ny raharaha ho vita fotsiny amin’izao fa mba tokony ho hit any tena marina sy ireo nahavanon-doza mba ho anatra ho an’ny sisa » hoy i Joro, mponina any an-toerana.
Efa nisy andian’olona tratra ary anatin’ny famotorana amin’izao fotoana izao. Marihina fa 34 taona ilay ramatoa, ary efatra ny zanany ka vavikely 16 volana ny farany izay monina ao Mahalina Fokontany Lomboka, Kaominina Niherenana Distrika Vatomandry. Rahoviana vao hihaina ao anaty filaminana ny firenena?
Nicole Rafalimananjara
