Etats-Unis : Nahitana trangana tadiom-bovoka niforona tamin’ny arabe
Tranga hafa kely ho voarakitra anatin’ny fahatsiarovana no niseho tao Etats-Unis, ny sabotsy teo. Lehilahy mpikirakitra ny tambajotra sosialy, nandeha tamin’ny arabe 66, any Etats-Unis no tojo ity tranga iray tsy mahazatra ity. Nisy ireny tadio lehibe ireny na « tourbillon de poussière » ary anisan’ireo voafaoka tao anatin’izany izy kanefa nahavita niaro ny tenany tamin’ireo potika singa nangonin’ity tadio ity, izay nahazaka hazo mihitsy, araka ny voalaza. Antsoina ihany koa hoe « dust devils » ity karazana tranga ity. Izy moa dia mitranga ao anatin’ny andro maina sy mafana. Miforona izany tadio izany rehefa mafana ny tany ka miakatra haingana mihoatra azy ihany koa ny rivotra.
