Tafiakatra 1 350 ar ny kilaon’ny vary akotry any Alaotra
Nanova zavatra betsaka teo amin’ny lafiny famokarana sy ny fiainan’ny tantsaha ny fisian’ny hamehana ara-pahasalama teto amin’ny tany sy ny firenena nandritra izay roa volana mahery izay. Ankoatra ny vokatra lavanila izay nidina be ny vidiny any ami’ireo faritra mpamokatra izany, voakasika ihany koa ny famokarana vary any amin’ny faritra Alaotra. Tsy tomombana ara-dalàna ny asa famokarana sy fijinjana vary tamin’ity taona ity hany ka nahitana fiakarana ny vidin’ny vary eny hatrany am-potony. Efa tafiakatfa 1 350ar ny kilaon’izany akotry izany ary 1 400 ar aza any amin’ireo faritra sasany any Alaotra. Ahiana ho tafakatra hatramin’ny 1 700 ar izany araka ny nambaran’ireo mpamokatra any an-toerana. Nahitana fihenana hatramin’ny 30% ny famokarana tany amin’ny faritra Alaotra Mangoro tamin’ity taona ity raha mitaha ny taona 2020. Misy fiatraikany aty amin’ireo mpividy ivelan’ny faritra tanteraka ity faharatsiana sy tsy fahampian’ny vokatra tany Alaotra ity. Tokony napetraka ho laharam-pahamehana ny famokarana vary amin’ny maha foto-tsakafon’ny ankamaroan’ny malagasy azy io na dia teo aza ny hamehana ara-pahasalamana. Toa variana tany amin’ny fanamboarana fotodrafitr’asa sy rendrarendra isan-karazany ireo tompon’andraikitra eto amin’ny firenena hany ka ny tokony hipetraka ho lohalaharana indray no lasa atsirambina.
Ally Herisoananahary
