ActualitésTsidika

Anarivony ny kara-tany na « titre foncier » nozaraina tao Vakinankaratra

Fianakaviana 1 000 tao amin’ny distrikan’i Betafo sy Antsirabe no nahazo ny kara-tany ny alatsinainy teo, hiarovana ny tanin’izy ireo. Notanterahina tamin’izany ny fanovana ny taratasy fanamarinan-tany 650 ho lasa kara-tany sy ny fanomezana fari-tany raikitra miisa 350 eo amin’ny tany Roubaisienne, tanim-panjakana teo aloha ao Ambohimanarivo Antsirabe.

« Hahafahako manatanteraka ny tetikasako hatramin’ny farany ity », hoy i Lovasoa Razanadraibe tan-kafaliana, nisitraka ity hetsika ity. Araka ny filazany dia tahaka ny tsy afaka hanatanterahany ny tetikasany ny taratasy fanamarinana ny tany nananany satria « Tsy sahy mampindra-mbola ahy ny banky sy ireo microfinance » hoy izy hatrany.

Tonga nanotrona io fizarana tao amin’ny distrika roa io i Hajo Andrianainarivelo, Minisitry ny fanajariana ny tany sy ny asa vaventy. Nanamarika izy fa hitohy manerana ny nosy ity fanamorana ny fizarana ny kara-tany ity. « Noho izany efa afaka msisitraka ny zo maha-pototany azy ireo olona efa nahazo ny karatra ireto” araka ny nambarany.

 Mifanindran-dàlana amin’ny famerana ny hetran’ny tompony sy ny fandraisan’anjaran’izy ireo amin’ny fananganana sy fanajana ireo foto-drafitr’asa iraisana voatanisa ao anaty drafitra sy programa fampandrosoana ny tanànan’Antsirabe ity fanomezana zon’ny ho an’ny tompon-tany ity.

Hasina Rasamimanana

Laisser un commentaire